ny boky sy ny vahoaka
Re amin’izao fa ny Amerikanina sy ny Japoney no mponina mpamaky boky indrindra eto an-Tany. Fantantsika rehetra angamba fa tsy dia any amin’ny gisitra loatra no misy izany firenenany izany eo amin’ny lafiny ara-ekonomika sy ny sisa.
Re tamin’izany fa ny Malagasy sy ny Japoney no mponina tokony niara-nianga indrindra teto an-Tany. Fantantsika rehetra angamba fa tsy dia mitovy loatra ny laharana misy izany firenena roa izany eo amin’ny lafiny ara-ekonomika sy ny sisa.
Ratra amin’izao ho an’i Madagasikara ny tsy famakian’ny vahoakany izany boky izany ; anisan’ny gisitra amin’izany isika – inoako – na dia mbola tsy tazako aza ny salan’isa.
Ratra tamin’izany ho an’i Japana ny tsy famakian’ny vahoakany izany boky izany ; anisan’ny lohany izy amin’izao satria nahavita nanarina izany avo tapitrisa heny.
Mamakia boky re ry Malagasy !
Izany – amiko – no Politiako !
Mamakia boky re ry Malagasy ! Botakely iray sy sigara antsasany dia efa mahazo !
Izany – amiko – no Politiako !
Mamakia boky re ry Malagasy ! Botakely iray sy sigara antsasany dia efa mahazo ! Tsy moramora tamin’ny Japoney koa anie izany!
Izany – amiko – no Politiako !
Mamakia boky re ry Malagasy ! Botakely iray sy sigara antsasany dia efa mahazo ! Tsy moramora tamin’ny Japoney koa anie izany ! Fa vitany ve tsy ho vitantsika ?
Izany – amiko – no Politiako !
Nahaliana ahy ity blaogy iray manontolo ity. Nampitsiky indrindra … ary iny fivelaran’ny tsiky iny no manokatra fijery vaovao indray any an-tsaina any. Hanjohy izay ho lalan’ny blaogy aho, ary hanaiky ny topatopa sy ny tsiro mamy-mangidy atehiny amin’ny lela. Mampazoto ny mpitoraka blaogy koa, tsy maro fa … vitsy … eny, vitqy no manana fidadasi-pijery amam-pinoana toy izao ka hahatonga ny rantsantanany ho kinga tsara ery manoratra zava-mahaliana … sy mampitsiky. Dia tsaroana ilay tononkira iray izay ampitaina amin’ny mpitoraka blaogy hoe “itondray tsikitsiky aho raha ho avy ianao” Sitraka e. tsara fa tohizo